1 Peter 3

1Amin’izany fomba izany, Ianareo vehivavy dia tokony hanaiky ny vadinareo. Ataovy izany na dia misy lehilahy maro aza tsy mankatoa ny teny, ary mety ho azo izy ireo na tsy misy aza ny teny, amin’ny alalan’ny fitondran-tenan’ny vadin’izy ireo. 2Fa izy ireo dia hahita ny fitondran-tena mendrikareo am-panajana.

3Aoka izany ho tanteraka tsy miaraka amin’ireo haingo ivelany: randram-bolo, firavaka volamena, na akanjo lamaody. 4Fa kosa, aoka izany ho tanteraka miaraka amin’izay ao am-pon’ny olona, sy ny hatsarana maharitran’ny fanahy tsara sy mangina, izay sarobidy eo anatrehan’Andriamanitra.

5Fa ireo vehivavy masina taloha no nandravaka ny tenan’izy ireo toy izany. Nanana fahatokiana an’Andriamanitra izy ireo ary nanaiky ny vadiny avy. 6Toy izany fomba izany no nankatoavan’i Abrahama an’i Saraha sy niantsoany azy ho tompony. Ianareo dia zanany ankehitriny raha manao izay tsara sy tsy matahotra olana ianareo.

7Toy izany ihany, ianareo lehilahy dia tokony miaina miaraka amin’ny vadinareo araky ny fahazavan-tsaina, toy ny fanaka malemy kokoa, ny vehivavy. Tokony omenareo voninahitra izy ireo tahaka ny mpiara-mandova ny fanomezan’ny fiainana. Ataovy izany mba tsy ho voasakana ny vavakareo.

8Farany, ianareo rehetra, aoka hiray saina, hangoraka, hifankatia tahaka ny mpirahalahy, ho tso-po, ary hanetri-tena. 9Aza mamaly ratsy ny ratsy na manevateva ny mpanevateva. Mifanohitra amin’izay aza, mitahia hatrany, fa noho izany no niantsoana anareo, mba hahafahanareo mandova ny fitahiana.

10“Ilay iray izay te hankafy ny fiainana sy te hahita andro tsara dia tokony hanatsahatra ny lelany amin’ny ratsy sy ny molony amin’ny fitenenana fitaka. 11Aoka izy hiala amin’ny atao hoe ratsy ary hanao izay tsara. Aoka izy hitady fiadanana sy hitaky izany. 12Ny mason’ny Tompo mahita ny marina, ary ny sofiny mandre ireo fangatahan’izy ireo. Fa ny tavan’ny Tompo dia manohitra ireo izay manao ratsy.”

13Iza ilay iray izay hamely anareo raha maniry ny hanao ny tsara ianareo? 14Nefa raha mijaly nohon’ny fahamarinana ianareo, dia sambatra. Aza matahotra izay hatahoran’izy ireo. Aza mangorohoro.

15Fa kosa, atokano toy ny masina ao am-ponareo ilay Tompo Kristy. Mivonona hatrany hamaly ny olona rehetra izay manontany anareo ny antony hatokinareo an’Andriamanitra. Ataovy amin’ny halemem-panahy sy fanajana izany. 16Manàna feon’ny fieritreretana madio mba ny olona izay manevateva ny fiainana tsaranareo ao amin’i Kristy dia mety menatra satria miteny manohitra anareo izy ireo toy ny hoe mpanao ratsy ianareo. 17Tsara kokoa, raha Andriamanitra no maniry, fa mijaly ianareo amin’ny fanaovana ny tsara nohon’ny fanaovana ny ratsy.

18Efa nijaly nohon’ny fahotana ihany koa i Kristy. Izy izay marina dia nijaly ho antsika, izay tsy marina, mba hitondrany antsika eo amin’Andriamanitra. Novonoina tamin’ny nofo Izy, fa novelomin’ny Fanahy. 19Tamin’ny alalan’ny Fanahy, dia nandeha izy ary nitory ho an’ireo fanahy izay any am-ponja ankehitriny. 20Tsy nankatoa izy ireo rehefa niandry ny faharetan’Andriamanitra tamin’ny andron’i Noa, tamin’ny andronn’ny fananganana sambofiara, ary Andriamanitra namonjy olona vitsy _ fanahy valo _ tamin’ny rano.

21Izany no famantarana ny batisa izay mamonjy anareo ankehitriny_tsy toy ny fanadiovana ny loto amin’ny vatana, fa toy ny antson’ny feon’ny fieritreretana ho amin‘Andriamanitra_tamin’ny alalan’ny fitsangan’i Jesosy Kristy tamin’ny maty. Kristy dia eo an-tanana ankavanan’Andriamanitra. Niakatra any an-danitra izy. Ireo anjely, ireo manam-pahefana, ary ny hery dia tsy maintsy manaiky Azy.

22

Copyright information for PltULB